FITIA MANGIANA (hasina habakabaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy vetsovetson'alahelo
nefa toa aingam-pifaliana,
fitiavana hay no velombelo
ka maniry hiantso hoe: tiana;
nefa indrisy toa misento
zary lasa hakiviana,
ny mahita ilay iriako
toa miaina ampiafiana;
fa nahoana no tsy babo
sady mihodina no giana,
mihevitra hanafay ny anatiko
sa migafy ny fahoriana;
zary mafy sy mampitoloko
izay mahatonga ahy angiana
mizaka ny vesatry ny foko;
ilay entana tsy nofidiana
mavesatra anatiko ao,
ilay fitia tiako ho zaraina
nefa...very hevitra aho
ny hoentina hanampiana;
ankoatra ny fitiavana anao
maniry hitia, ho valiana
fitia, nefa dia indreo
ny hafa tsy mba nantsoina;
tonga manantona anao,
namana nivimbina izay ho kaloina
fa... mikatsaka hitia inty izaho
matahotra anefa ny hamihina
ka mijanona fotsiny ho longo
ny ampitso ve ianao tsy ho liana,
raha mahita inty namanao
tsy mivolana varimbariana;
ny tenako tsy mba handao
no hafatra tiako hampitaina,
tsy harikivy ary tsy mba ho lao
na aloana aza ny fitiako mangiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : hasina habakabaka
Nampiditra : heryhasina
Daty : 22/05/2012 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975