LONGO (hasina habakabaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mavesatra ato am-poko,Toa entana goavana
Ny hakantonao ry longo,
Ka indro ho soratana.
Tsy angano na arira
Ny nanavotanany ahy,
Ny namehezany ny ratrako
Tamin'ny loza, tsy nahy.
Fa na akaiky na lavitra
Na hitety vazan-tany,
Na iny habakabaky ny lanitra;
Tsy hahita toanao izany.
Mirary endrika mirana
Fo faly lalan-dava,
Saina feno fahavitrihana
Vatana tomady sy salama. HO ANAO
--------
Rohy:
Sokajy :
Namana
Mpakafy:
mandresy1