SARIAKA TSY FOIKO (hasina habakabaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sariaka,na misy aza ireny rehetra ireny mbola haveriko ombieny fa tia anao foana aho ka sanatria ny hoe handao/na ady mafy aza no atrehana eto aza mitomany na koa misento fa mitraka lalandava satria ny olana tsy maintsy hisava/ekeko hoe nisy ireny olana ireny saingy aza kivy akia ry neny izaho tsy ho aiza akory fa eto foana hanala sorisory/ny amitsika efa voasoratra izay no mahatonga ahy hanoratra ka ny amiko rehetra omeko anao tsy misy fetra/dia tsarovy lalandava fa ny foko mitempo tsy mba ho rava ka ny hamaranako azy dia izao vonona aho ny HITIA ANAO
--------
Rohy:
1203 1
Mpakafy: mandresy1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : hasina habakabaka
Nampiditra : mandresy1
Daty : 19/11/2015 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015