Lazao (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO

Lazao raha mbola ilaina ny tohin'ny tantara
Sa mahasavolaina ka efa tokony hiafara ?
Moa mbola misy dika ny hanohizana ny dia ?
Sa efa tsara hapika ny rohy mampifangia ?

Lazao raha mbola mamy ilay niaraha-nigoka
Raha mbola velona any ilay fo nilokaloka
Raha mbola tsy niofo ilay fotsy fahadiovana
Raha mbola vonona hiampofo, mbola tsy torovana.

Lazao raha mbola tia, aza mihafahafa
Raha tsy tamana aky, aza menatra mitafa
Raha misy hafa mahavariana, aza miahotra ny handao
Raha te hiova tiana, io ny lalana ombao.

Lazao raha mbola fy ilay niarahana nianoka
Raha niova sanatria, izaho tsy hiady varotra
Ny fotoana ange mandeha ka aza dia laniana
K'izao dia tanteraho ny rehetra faniriana.

Heriarilala 13/06/2022 14h23
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
233 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 21/06/2026 00:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125