Misy miahy ? (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY MIAHYMoa mba misy miahy ?
Iza no mijery ?
Ny mponina eto lahy
zatra miady irery
kanefa rehefa injay
mikasa haneho hevitra,
Analakely izay
tsy ahafahanao mivezika
fa fiarabe am-polony
no feno maramara,
voasarona ny volony
ny basy feno bala.
Moa mba misy miahy ?
Iza no mijery ?
Ny loza eto lahy
tsy miery velively
fa vono ampahibemaso
an-dalambe tsy miafina
mandroba ny malaso,
ireo mpitazana ankona
fa mba miaro ny ainy
ka tsy afaka maninona
na dia tsy eken'ny sainy
dia aleony aloha mipirina.
Moa mba misy miahy ?
Moa mba misy mihaino ?
Raha tena lehilahy,
ny iainanay mba iaino...
Nefa aoka ihany !
Aza maniry hanandrana
fa ny ratsy tahaka izany
tsy hamela anao hiadana
ka faizo dieny izao,
fongory fa mpandrotika !
Izahay toa hoe tianao
Nefa avela ho potika ?
05-03-25 Heriarilala 19:39
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hevitra mandeha

ZavonaRakoto
(
06/03/2025 05:55)
tsapako be ilay tsapan'ise !

iheriarilala
(
06/03/2025 06:18)
Misaotra namaky, izao no iainantsika.
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 05/03/2025 18:27
