Tsy tompon'ny tenany intsony (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TOMPON'NY TENANY

Vao misy mitaona "dia ndao rodobe"
Na dia efa nivoady ho tsy mila izy ange
Vao mazoto ny namany dia izy koa vonona
Hadinony ilay izy efa namoy sy nionona


Nilaza fa tofoka ary tena tsy liana
Tsy izany intsony, hono, no mahasondriana
Fa vao roso ny tary dia iny izy tamy
Tsy tompon'ny heviny izany olona izany

Sao kosa lahy mba fanadinoana ?
Ny ratsy nahavoa no tsy misy tsaroana
Na ny teny nataony no tsy misy tadidiny
Sa iretsy namany no mpanao ny safidiny ?

Fa an'iza ny androaniny, an'iza ny hoaviny
F'ireo mpankahala no leladelafiny
Hasohasoan'ny namany hoe tsara
Dia io izy mino na dia efa nahalala.

Heriarilala Andriamamonjy 22/02/25 21:11
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
4 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 05/07/2026 22:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116