Talao hoany fo (Hitler Beofo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veroko any anaty
No nalalako ny fahadisoandalako
Ny alahelo miha mafy
Mitsiry fona ka tsy tantiko

Fananganan'kevitra
Maniry fona any antsaiko
Ny foko miha mirehitra
Handoro ny tova aman-tsinaiko

Rovitra ny marina
Ka lasa ny diso no miseho
Ny foko anao angamba no manarina
Sy mitsara ireo zava miseho

No tereko hilaza izay tsizy
Ka Hanome vahana ny lesoka
De anao fisainanan'kizy
Eo anatrehany marina miretsoka

Mitempo ianao ry foko malala
Tsy toy ny rindrina mandre
Jamba ihany aho fa mahalala
Nohony ianao ry foko mahery
Fantaro izay any anaty nao any
--------
Rohy:
Sokajy : Veroka
1098 1
Mpakafy: Hitlerbeofo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hitler Beofo
Nampiditra : Hitlerbeofo
Daty : 12/03/2016 22:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0425