Talaho (Iaho)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry orana รด, mba ento
Hanaraka ny riakanao
Ity foko velon-tsento
Sarak'olon-tiana

Ry rivotra mandalo, miserana ihany
Indreto re mba ento, any aminy any
Itony sentosento, safosafo, teny mamin'ny fitia
Ento handrotsirotsy azy, any lavitra any.

Itony taraina sy tomany
Re ry lanitro henoy
Ka ento any aminy any
Sao dia hainy ny hampitony
Sy hamafa ny ranomaso
Tsy sasatra mijohy.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fisarahana - Alahelo
1444 0
Hevitra mandeha
mpiserasera ( 27/08/2009 17:52)
Mafy tokoa zany hoe tia nefa lavitr'olo-tiana !Raha mba afaka entiny tokoa moa ? Mety hampitony izato fo ve ?
Aingankalo ( 26/09/2009 06:58)
Ny fo tsy hitony raha tsy anilan'olon-tiana
Saingy mety hilefy kosa angaha izany fijaliana!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iaho
Nampiditra : Aingankalo
Daty : 27/08/2009 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149