SAINO (ihafatra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saino kely ny tontoloIzay rakotra hafaliana
Feno angatra sy lolo
Maro sento,fijaliana
Fantatrao ve ny fisiana?
Hainao ny famaliana!
Saino ireo andron'ny maraina
Ilay hakantony mazava
Saino aza miala maina
Ilay hasoany tsy rava
Neninao ve izao?
Ilay endriny efa aolo?
Ilay endrika sariaka
Efa osa mangatsika!
Raha nosaininao kely anefa
Ilay nataonao,tsy hefa
Efa kanto manjopika
Ity nosin-drazantsika
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Eritreritra mandalo