You are here: home > Vetso

AIZA RE IZANY E ! - Imbitika Rambala

Azo vakiana?

AIZA RE IZANY E !

Nahatazana izy fa tsy nanarangarana
Tojo izy fa tsy nitady
Raha ny tsiriry ve no nandao ny kamory
Nahoana ny vorondrano no lazaina
Ho fady an'Itasy
Ianao no vary kely an-daona
Ka miantsamboamboatra
Ianao no tsy nahay nitahiry
Ka ny vato nanahazanao
No nataon'ny olona vatofehizoro
Ianao no ratsy fanidy trano
Ka lanin'ny sasany ny sosoam-pitia
Ary nodimbiasany ny toeranao
Dia any ivelany ianao vao tia harangarana
Nololohavina ianao nitsingilahila
Ka nony napetraka vao misarangotra
Sobiky notampenan-kerana re
Ka ny anao fanahy niniana
Koa atsaharo ny harikarika
Ajanony ny fialonana
Amin'ny sisa
Tano ny azo fa sarotra ny mila

Imbitika Rambala - 20/02/19 in Eri-maso 4

Sokajy : fananarana

Mombamomba

Mpanoratra : Imbitika Rambala

Nampiditra : imbitika
Daty : 17/11/2022
Mpamangy : 91
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

EKEO
MANINA E,
TSIKY KELY
ITY MIFARANA NY TAONA
INY OLONA INY
PAO-TSATROKA
TAKARIVA SAROBIDY
IZAHO MITARIKA