Maizina (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAIZINA,

Raha takona iny volana iny
Ka mikitroka aizina ny lalako
Dia ny lanitra vé no homeko tsiny
Sa izao no tena anjarako
Nahoana moa raha niainga omaly
Na koa niandry ny ampitso
Fa izao toa hifamaly
Amin'ny resaka masiso

Ny lehibe mantsy entin-ditra
Ny kely koa entin-kiry
Dia izaho no mipitrapitra
Anaty fahantrana mankadiry
Ny nanabe moa tsy afa-piry
Izay nitaiza koa variana
Mitady izay harapaka
Dia eto izaho toa nariana
Mitsirapadrapaka

Ka na omaly aza no niala
Na rahampitso vao handeha
Dia hireprirepy ho adaladala
Toa soavaly tapaka kofehy

Koa toetsaina inona moa no holovaina
Sa ny tsiny hatrany no hozaraina

Imbitika Rambala - 16/07/17 (37)
--------
Rohy:
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012