Eo amin'ny baka fanariam-pako (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iretsy boatiboaty iretsyAza apetraka amim-bovoka
Areno tsy hiohoka
Dia io baoritra io leitsy
Sy ity tsilena ity
Velaro mba hitsika
Hatao trano-lakozia
Fa efa nanadino antsika
Ny Rariny
Kanefa ... aoka hiedinedina
Aza aseho akory
Fa mangana sy niendaka
Raha natory
Ireo rangomaina
Izay nihatra tamin’ny tany
Ka na ny molotra aza maina
Dia aoka ho falifaly
Fa mbola hahita ny harapaka
Anio sy omaly
Etsy Ampanariampako
Koa... ingao hoy aho ny sioka
Mba tsy ho rendrika
Ary misehoa ho mendrika
Ao anaty tsy fisiana
Na dia variana
Sy nanadino antsika
Hatramin’ny Razantsika
Aza asiana halotehana
Tsikitsiky hoy aho anosehana
Izay teny te hisovoka
Noho ireo mipotsa-molotra
Rehefa mba mihita antsika
Ary ekeo fa tsy mitsahatra ny tolona
Ho antsika
Izay natosika ho lamokan’olona
Isika ange ka tsy maintsy velona
Na mifandrombaka amin’ny lalitra
Izay tsy mitsaha-mitselontselona
Eny aza fa na ny Lanitra aza
Dia toa efa nanadino antsika
Imbitika Rambala -- 04/03/17
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
