Ampindramo ahy (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPINDRAMO AHY

Ampindramo ahy ry vorona
Ny elatrao hanidinako
Any an-tany tsy misy olona
Fa na hatrany an-tsikinako
Efa hipoka harena
Dia tsy mety ny fanahiko
Fa mitomany mbola homena

Ampindramo ahy ry vato
Ny fahaizanao mihenahena
Fa ny ato anatiko ato
Dia tsy ampy fahendrena
Fa Ilay fitia nangalarina
Tena mamy na tsy marina
Kanefa mety hampivarina

Ampindramo ahy ry tany
Ny fahaizanao mitony
Anatrehan'ny hadalan'
Ny ambany sy ambony
Tsy asianao fiangarana
Fa tsinjovinao hatrany
Sy arahinao fananarana

Imbitika Rambala - 15/05/18
--------
Rohy:
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145