Aoka izay (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA IZAY !

Aoka izay ny tebiteby
Tsy maha lehibe ny halavoana
Aoka izay ny rediredy
Fa rariny raha toa tsaroana
Ireo fihetsika tsy nety
Soa ho kenda e hahay hitsako
Dia ho foana vetivety
Ny taintaina ka hiato

Aoka izay ny laingalainga
Ny tsontsam-paika matim-bela
Raha fitia mifahan-dainga
Ianao ihany no ho tavela
Io marina io ange ka tsy maintsy
Hipoitra ihany na dia ela
Ka hamely anao toy ny fantsy

Aoka izay re ny tsiny
Ka handeha hiantso tody
Sao lahy mitahiry
An-karon-doa-body
Ny miaina ange ka sarotra
Vinavina ihany ny anao
Koa aza tia misarangotra
Amin'ny fiainan'olona toa izao

Raha solafaka izy omeo tehina
Raha potraka izy omeo tanana
Ny lasa lahy aza mba herehina
Ny ho avy tsy ho azonao ibahanana

Imbitika Rambala - 13/01/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
33 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124