ATOLOTRA HO AN'NY RENY REHETRA (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATOLOTRA HO AN'NYRENY REHETRA
I NENY
Fony izaho handao anao
Satria izay no didy eto an-tany
Dia niteny taminao
Fa any andro any
Ho tafaverina eto aho
Indro aho tafaverina amin'izay
Dia inty ianao mitsena ahy
Toa volampenomanana sariaka
Amin'izato hafaliana tsy hay afenina
Hazavana mipariaka
Malefaka azoko banjinina
Henika fitia tsy an-kiteny
Tsy andriko ery hofihinina
Ianao.ry neny
Toa voninkazo an-jaridaina
Sasa-niandry hatrizay
Ka miran-tava feno aina
Fa vaky felana amin'izay
Manetry tena votsavotsa
Nefa somebika hafaliana
Sady mieboebo kosa
Fa itongavana vangiana
Tsapako ianao fa sambatra
Raha namihina ny tanako
Ka niteny tsy niambatra :
"Tonga soa ny zanako"
Imbitika Rambala - 02/06/2020 - 141
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
