Dia tsy maintsy ho izay ve ? (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA TSY MAINTSY HO IZAY VE?Dia tsy maintsy ho izay ve ?
Tsy maintsy hiakam-pitolomana
Izay vao ho voaentana handeha
Hitaky ilay zo
Amin'izay feno dia feno ery ny fo
Ka na iza tsy hakantô
Dia tsy maintsy eny an-dalambe
Ary dia tsy maintsy ho izay tokoa ve ?
Dia tsy maintsy ho izay ve ?
Dia tsy maintsy hisy hampitandrina
Satria tsy maintsy hifanandrina
Eny an-dalambe
Dia io tokoa fa tsy te hahalala
Fa entaninm-po mankahala
Ka dia handeha hivaro-dra
Eny an-dalambe
Dia tsy maintsy ho izay ve ?
Dia tsy maintsy ho izay ve ?
Ny vahoaka efa misotro ny ngidiny
Ny taranaka no hibaby ny tsy fidiny
Raha ny sarom-bilany no tiana hapoaka
Ny madinika ve no tsy maintsy hitroatra
Dia tsy maintsy misy ny haratra
Dia tsy maintsy misy ny higadra
Ary dia misy ny miandry mahazo
Ka hoy aho hoe
Tsy misy fomba hafa va re ?
Imbitika Rambala - 28/09/25
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
