You are here: home > Vetso

EKEO - Imbitika Rambala

Azo vakiana?

EKEO,

Ekeo
Fa tsy sanatria ka ditra
Ilay niarahantsika
Fa voalanja ara-tsaina
Satria fitia tsy hay tohaina
Tena latsaka am-panahy
Matoa naha rendrika ahy

Ekeo
Fa tsy hasomparana
Na sanatria fahazarana
Manolotra fitia
Amin-jatsy na izary
Ilay ambezonao tena sarotra
Tsy nasiako ady varotra

Ekeo
Fa mbola tsara hidy
Satria mbola mitampify
Ao am-ponao ka tadidy
Nefa antenaiko tsy hikiky
Anao, ilay fitia kotikotika
Nilaozanao nandositra

Ekeo
Fa na hivavaka aza
Na hivalo lalandava
Dia mbola hivazavaza
Ny olatry ny lasa
Fa tsy mety ho voafafa
Na eny an-tratran'olon-kafa

Imbitika Rambala - 05/2007  in ERI-MASO 1