Tsia (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIA,

Tsia
Avelao aho ho eto
Ary aza avela haneto
Na dia kely akory
Ito afo niarahana namelona
Dia fafao sy esory
Ny kitay sy lavenona
Ary aza avela hisy dindo
Hoe teto isika no namindro

Tena mety raha rotaina
Ataovy fafambohondro
Ireo nofy nokasaina
Aza miandry ny maraina
Fa efa tsy hifanara-tsaina

Ary lasa ianao mandeha
Izay dia izay no sitrako
Sao hampitombo indray ny ditrako

Imbitika Rambala - 01/03/17
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
10 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 06/08/2026 03:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127