Ho an'i Neny (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOAN'INENYIzaho Ilay feonao ato an'efitra
Izaho Ilay ketrona amin'ny tavanao mitsiky
Izaho Ilay feonao milefaka mandefitra
Izaho Ilay tongotrao godro sy mivikiviky
Izaho ireo volofotsy ringitra sy fohy
Hany mba navelan'ny taona mifanesy
Izaho Ilay tananao mangovitra tsy mahafoy
Izaho ilay lamosinao vokoka toa resy
Izaho ilay masonao midorehitra fitia
Tsy lefy hatrizao mbola feno fitokiana
Izaho Ilay ianao osa, konka, mikavia
Ka inty manatona ahy mbola feno fiahiana
Izaho daholo ireo ry neny
Saingy miantraika aminao
Imbitika Rambala - 19/01/19
VALIN-KAFATR'I NENY
Rehefa voatsiahinao
Ilay topy maso anao alohan'ny hatory
Ilay tanako manarina raha potraka
Ilay tratrako fiantorahanao raha Ory
Ilay namafako ny ranomasoanao nirotsaka
Ary
Rehefa ianao tsy manontany ahy intsony
Rehefa ianao manan-javatra afenina
Rehefa ianao sahiran-tsaina tsy mitony
Dia mba mitrerona rehefa ka tenenina
Rehefa olon-kafa no ao an-tsainao mibahana
Rehefa injay koa nihoaranao n'y haiko
Rehefa ianao mahatsiaro izay niarahana
Ka inty miverina mamangy ahy EFA midraiko
Rehefa ianao indray no mampianatra ahy
Dia mibango ny voloko no mahafinaritra anao
Dia mitondra fanomezana Mbola mahatsiahy
Rehefa ireo rehetra ireo no zavatra ataonao
Dia tsy mila ahy intsony ianao
Imbitika Rambala - 14/01/19
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavan-dreny
