Ireto soratro ireto (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRETO SORATRO IRETO

Ireto soratro ireto
Tsy taraina fa sento
Senton'ilay miala vonkina
Fa rehefa ka voahodina
Izay mba safidiny
Dia nampifihana ny ngidiny
Fa nofinitaka izy nandaingana
Fa mba nanantena kanefa dia nangaina
Ka ny nihafarany dia nitolona
Nanao ny tenany ho sorona

ireto soratra ireto
Tsy taraina fa sento
Senton'ilay verivery saina
Fa nisolokiana nambakaina
Fa eto an-Tanindrazany hono
Tsy misy ny kifonofono
Fa fitondrana tena mety
Tsy mba misy fetsifetsy

Ireto sorato ireto
Tsy taraina fa sento
Senton'ilay tsy vizana
Fa dia ho tohizana
Satria ny finoako tsy very
Izaho koa tsy irery
Ao ireo manangona ny hery
Mbola miandry tsy miteny
Fa mbola manantena
Fihavotam-pirenena

Ireto soratro ireto
Tsy taraina fa sento
Senton'ilay tsy mba kivy
Satria izao ny ahy no mba adidy
Ho an'ny Tanindrazana
Ka na tsy hisy hahatazana
Na tsy hisy hamaky firy
Na hariana an-jaoridiry
Dia tsy misy mampanenina
Raha mbola misy bemarenina

Imbitika Rambala - 09/07/26
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 10/07/2026 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118