Izaho mino (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO MINO

Ilay jerinao nampiherika
Niantso ahy tsy an-kiteny
Nahatonga antsika ho fefika
Samy tsy nisy naha hetsika
Fa avy hatrany dia rendrika
Tanaty memy

Ireo masotsika nifanojo
Nampangoritsina ahy
No nizary ho ilay rojo
Nampitohy ny fanahy
Dia ny anao sy ny ahy

Ireo masotsika nifanena
No ilay oroka feno hanitra
Tonga vato mihenahena
Misisika maharitra
Tsy maha saraka ahy

Izaho mino
Fa samy tsy hanadino
Imbitika Rambala - 21/03/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
57 1
Mpakafy: Papango1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 29/06/2026 18:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116