You are here: home > Vetso

IZAHO MITARIKA - Imbitika Rambala

Azo vakiana?

Izaho mitarika

Izaho mitarika eo aloha izy kosa ao aoriana
Dia iny izahay mananika iny Ambohidahy iny
Mivoa-dinitra sy sempotra ary koa mivilavila
Feno loatra ilay sarety nefa mbola voatsiny

Mangahazona efajato avy ho anay mivady
Rehefa mitatao vovonana eo ho eo ny masoandro
Ity sarety ity no fitaovana entinay mitady
Ho an'ireo ankizy sy ny harotsaka ho nahandro

Ny tosidra sy ny goty ny diabeta dia tsy hisy
Raha ny anay ny sakafo tsy hety ho lasa menaka
Rehefa hariva alohan'ny hamonjena ny ankizy
Asiana "tapaky ny bota" mba hatao ody reraka

Ny ankizy ?

Tezain-Janahary dia beazim-pokonolona
Hatreo izay aloha no vita izay no mba fiainana
Tsy mila kivikivy izany rahampitso mbola vonona
Dia mba makamaka eny fa iza moa no hitarainana

Imbitika Rambala

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Imbitika Rambala

Nampiditra : imbitika
Daty : 05/11/2022
Mpamangy : 94
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

EKEO
MANINA E,
AIZA RE IZANY E !
TSIKY KELY
ITY MIFARANA NY TAONA
INY OLONA INY
PAO-TSATROKA
TAKARIVA SAROBIDY