Joko fandeha (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JOKO FANDEHA

Tsarovy fa ny eto tsy dia fanaperana
Fa sadasada mana-tsoratra ihany
Mihetsika ihany fa tsy maka toerana
Ity fiainana ity tsy vitan-tomany

Aza mety ho katsaka ladian-tsaramaso
Na dia kely no entina mody aza
Raha toa ny nasosoka no maty maso
Misikina no mety fa tsy mivazavaza

Ny otrik'afo r'ise no maty mangina
Ny otriky ny fo kosa mamolivoly
Amboary ny saina hamafiso ny vina
Fa ny JOKO FANDEHA tsy folaka akory

Imbitika Rambala
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
78 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 29/06/2026 18:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123