Mba manaova e (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA MANAOVA E !

Ity maso e ity maso
Ity maso be harikarika
Njolanjola sy mangaringarika
Lazao ny zava-tsy aritra :
Ny lapako sahala amin'ny lanitra
Ny taniko tsy hita faritra
Ny fiarako mahafinaritra
Fantatro fa ireo no tsy aritra

Ity vava e ity vava
Mibitsibitsika mivilambilana
Mitsefotsefotra sy mivilambilana
Mararirary sy sahirankirana
Mahita ny endriko mirana

Maninona raha mba manao
Ny atao no mamokatra an'izao
Miaritra ireo felapelaka
Tsy miahotra ny hileladelaka
Misolelaka dia misolelaka
na hosena sy efa reraka
Manompo manompo tanteraka

Ampanginina ny konsiansy
Ikipiana ny ompa sy fantsy
Amafisina ny didy antsy
Baiko tokana no ao anaty
Misotro ny aleokomaty
Na mora na mafy dia mafy
Ny vola tsy mba ho ratsy
Ny voninahitra zava-pitady
Ny fahefana zava-piady
Hivarotako hatramin'ny vady

Tsy hahalalako izay Tanindrazana
Hamoizako hatramin'ny fasana
Ny Lehibe andriamanitra kely
Lelafiko na aiza omeny

Imbitika Rambala - O5/08/92
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
30 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.102