Shalahalao ihany (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHALAHALAO IHANY !

Tsy misy mazava tsy misy aloka
Tsy misy haizina ho doria
Fa ny varavarana nigaona
Tsy maintsy mbola hikatona
Koa mifalia raha mbola afaka
Fa rahefa handom-baravarana ange
Rafahasahiranana
Ka hisisika hampandrosoina
Dia hidongizina ao

Koa sahalahalao ihany ny fiteny
Lanjalanjao ny fihetsika
Fa ny tanety mbola hifaneraserana
Ny lohasaha tsy maintsy hifanenana
Ny rano ilomanosana ange iray ihany
Fa ity Tany ity lova ikambanana
Ka ny andro no iaraha-"misafotsa"*

*misafotsa = mirakotra

Imbitika Rambala - 13//03/26
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 08/07/2026 14:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0231