Ny fahamarinana (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahamarinana
( "Sincérité", setrin'ilay hatao inona na "l'hypocrisie")

Tsy eny an-tsefaky ny vato
Hokarohina tsy miato
Tsy eny an-daingom-boninkazo
Horombahina ho azo
Tsy izay fahamarinana
Tsy ilay tsiky volantsinana
Tsy ilay feo malemilemy
Fa ilay ianao tsy anombinana
Miatrika ahy tsy an-kiteny

Tsy ianao midradradradra
Fa hanafaka ny gadran'
Ireo voatsindry hazolena
Tsy mbola ianao mandà tena
Tsy izay Ilay fahamarinana
Tsy ianao mifaninana
Hanao soa tsy mipetraka
Fa ilay ianao tsy anombinana
Itokiako tanteraka

Tsy tiako ianao hanambara
Fa * ity voarara - iry no tsara*
Tsy tiako ianao hiala tsiny
Fa *diso kely aho tamin'iny*
Tsy izay ilay fahamarinana
Fa ilay ianao tsy anombinana
Tsotra tsy mivilambilana
Miaiky koa fa sahirana
Nefa azoko iankinana

Imbitika Rambala
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
50 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 29/06/2026 17:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158