Ny feon-drajorery (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FEON-DRAJORERY

Eny hoy aho Rabakobako endrika
Nobaikobaikoiko ianao dia rendrika
Ny feon-jorery ange mahafeno saha e
Ny siotsioka mampandry adrisa
Nanaovako tafasiry ianao dia lavo
Nototofako lainga dia natory
Dia nanao vivery an-tany tsy fantatra
Koa ankehitriny vao manao toa dinta
Mifikitra tsy azo ahifika

Setriny

Eny iky Rajorery
Rajorery mandihy tsy torahan-damba
Rajorery mandihy tsy amin'amponga
Ny feonao tokoa mameno ny lohasaha
Tsy izay avo feo ange no mahay mihira e
Tsy ny rehareha no maha olona
Fa ny adrisa voampandrin-tsioka
Mbola hifoha ho aketalahy mahay mipiaka
Raha fitiavana ve no natolotra
Kanefa tebaka aman'eso no valiny
Fantaro fa mbola tsy nisy tatamo fefik'onja
Na voahirana resin'alona
Tsy ianao Ndrematoa no faran'ny olona
Koa na voa mikorintsana aza aho
Na voa potraka
Mbola hipoitra an-tany nahalavoana
Hisolofo vaovao
Koa tsara lavitra ny manaja tena
Noho ny ahifika fa tsy ilaina

Imbitika RAMBALA - 28/10/19
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
38 1
Mpakafy: Papango1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 29/06/2026 18:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116