Ny tantaranao no ho tantarantsika (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TANTARANAO NOHO TANTARANTSIKA
Ny tavako efa taolanina
Ny vavako nilaozan-kanina
Miranirany koa ny taolam-bazako
Vorotra kitsay sisa lambako
Bedenina ihany koa ny sofiko
Ritra teo ny nofinofiko
Izay mba sisa hoe fanantenana
Tena voatinapa-doha indray
Hany ka mila ho fankahalana
No misovoka amin'izay
Koa aoka lahy
Aza dia matoky manominda
Mba tazony ihany re ny tongony
Fa ny tazo ange ka hisinda
Ny fahoriana sy ny forongony
Mbola ho ritra sy hitsika
Fa ny tantaranao no ho
Tantarantsika
Imbitika Rambala - 15/01/18
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
