Omeko an'ise (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEKO AN'ISE

Omeko an'ise
Izay harena mety ho fantatro
Sy takatro
Ahorony
Igalabony
Hatramin'ny faran-tsombin'ny fananako
Ny eto an-tanako
Aza endaho
Saingy ny TANINDRAZAKO
Io kosa avelao

Omeko an'ise
Izay toerana avo indrindra
Raha handrindra
Ny fiaina
Sy fisaina
Mampangeta an'ise hatrizay
Efa nampiolomay
An'ise - tsy nahalalan-drahalahy
Saingy ny FANANTENAKO
Avelao mba ho ahy

Omeko an'ise
Izay voninahitra sy harena
Azo homena
Hanangonako
Homoronako
Raha tsy ampy an'ise izay misy
Raofy any mihitsy
Ho an'ise na ny fantatra na ny miery
Saingy ny FINOAKO
Aoka ho ahy irery

Omeko an'ise
Ny fahefana na inona karazany
Na inona ho lazany
Manaràna fo
Manampàra koa
Fa an'ise ny fahefana, eny fahefana
Hanambaka hanararaotra sy hanambany
Saingy ny FAHAFAHAKO
Aoka ho ahy ihany

Imbitika Rambala - 04/10/73
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
97 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115