Mba sahalao ihany (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba sahalao ihanyTsy misy mazava tsy misy aloka
Fa ny varavarana nigoana
Mbola hikatona
Koa mifalia raha mbola mifaly
Fa rehefa mandondona eo ange
Rafahasahiranana
Dia hisisika hampandrosoina
Ary hidongizina ao
Koa lanjalanjao ihany ny fiteny
Sahalahalao ihany ny fihetsika
Fa ny tanety mbola hifaneraserana
Ny lohasaha tsy maintsy hifanenana
Ny rano ilomanosana mbola iray ihany koa
Fa ity Tany ity dia lova ikambanana
Ary ny andro koa tsy mba mitomoetra
Imbitika Rambala- 13/03/26
--------
Rohy:
Mpakafy:
Papango1
