Sarotra (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROTRA !- Dry ! Fa inona ity mahazo anao ?
- Sorena aminy aho
Hatoniko izy - ahodiny ny lohany
Anontaniako izy - tsy mamaly
Iresahako izy - tsy mivolana
Itsikiako izy - miavona
Tambatambazako izy - tsy mihetsika
Tezitra amiko angamba izy
- Tsia, tsy tezitra aminao izy
Fa tsy tamana
Sarotra hafoy ange ny tiana e
Imbitika RAMBALA - 08/04/26
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
