Ampidiro aloha ny tenimiafina
Sento nandeha singany (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTO MANDEHA SINGANYFa nangina hoy aho ilay kamory
Toa nofinofy sisa
Ireo tsiriry roa nifampisangy teny
Nangina koa ity farihy
Fa ny harefo sy ny zozoro sisa
No mifampila kisa ety
Itony kijana filalaovana aza
Tototra antsoro mahalavo
Fa teto am-pantsakana teto
Teto no nanifihako ny toho-jinga
Fa nihantako ny tan-tanam-bazo
Kanefa efa ho tototra antsanga izy ity
Koa iny baiboho iny sisa no inoako
Fa mbola mitadidy ireo kalonay
Dia kalon'ny dinam-pitia
Dia izaho irery sisa ity
Vano tokana amorom-parihy
Finonjan-toky nomena
Ka tazotazoina mafy
Koa mba ho sitran'ody hatetina ihany ve
Izato fanaviako izato
Moa mba ho afa-panafana
Hatelina ihany ve ny aretiko
Fa sento mandeha singany ny ahy
Imbitika Rambala - 19/03/26
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
