TAKARIVA SAROBIDY (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takariva sarobidy

Injany akalo midoboka
Sy feon'ankizy mihoraka
No manako hatraty
Eton'aratra mandoko
Ny tanety sy ny avoko
Dia naatoko ny dia

Dia iny tamy iny
Tovovavy sy ny siny
Avy tany am-pantsakana
Ary mifanadrohadro
Amin'ilay mpiarakandro
Manamy ny tanĂ na

Dia takariva sarobidy
Ka na fo inona mihidy
Dia voasarika hanjary
Hampilolotra vavaka
Hanakatra ny lanitra
Hisaotra ilay Nahary

Imbitika Rambala -23-07-2020, in Eri-maso 4 tak 8
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
773 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118