TSIKY KELY (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY KELY

Tsy voninkazo kanto
Notoazana maraina
No natolotrao ho ahy
Tsy feo milantolanto
Mandrontsina ny aina
Mankahery ny fanahy
Tsy fihetsika nihelatra
Na famantarana tsy hita
Fa TSIKY KELY menatra
TSIKY KELY nahavita

Tsy taratasy mamy
Izay nalefa na natolotra
Tsy hisy hahafantatra
Tsy bitsika hatrany
Am-po mipololotra
Ka nifatrapatratra
Fa TSIKY KELY monja
Nilazanao tamiko
Fa ao anatinao manonja
Manaiky hiaraka amiko

Tsy "eny" notononina
Na resadresaka hafa
Fa TSIKY KELY iray
Dia injay misamonina
Avy hatrany te hitafa
Ireto fo mifandray
Hendratrendratra sahady
Vinelombelon'ny fitia
Dia indreo mifampitady
Na dia mbola mikavia

Imbitika Rambala - juillet 89 - in ERI-MASO 2
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
604 1
Mpakafy: imbitika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Imbitika Rambala
Nampiditra : imbitika
Daty : 15/11/2022 14:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146