Izaho sy ny fiainana (Isiomanga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy aho!
Izay ihany no mba fantatro
Ny ankoatr' izay, zava-dalina tsy takatro
Misy aho dia nisy teto antany
Fa tsy mba hary tany ho any
Misy aho, mivelona, miaina
Mitia sy misaina
Mahay mankahala
Misy sombim-pahalalàna
Manan-jo, manan-tsafidy
Tena afaka mandidy
Misy aho, saingy ny fisiako manampetra
Na dia satriko aza hitoetra
Mba hanohy izay mba nodiaviko
Sy hanekeko izay nolaviko
Ny fisiko, singa iray mba nitsimpalotra
Ka na ny anarako aza, mpindran' aho matoa misalotra
Misy aho, satria misy koa ny fiainana
Misy izy, na tsy tsapako mivaingana
Mitahiry sy mamalona izay rehetra lasako
Ary mbola iorenan' izay rehetra mba kinasako
Misy aho, tsy safidiko fa tiako
Ny fiainana no niaviako
Mba hoan' izao tontolo izao
Izay nisy koa mba ho anao!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1872 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Isiomanga
Nampiditra : Isiomanga
Daty : 03/03/2016 12:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134