sentom-pitia (Isiomanga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sento tokana mazàna
no injao manosika tsy tana,
ka mampifendro ny fanahiko.
Angamba sentom-pahakiviana,
vokatry ny faniriana,
tiako hivoaka fa tsy sahiko.

Hery tsy haiko vinaniana,
efa feheziko hangina,
nefa mikiry sy mitroatra.
Hery toa tsy ho lefy;
miezaka ny hihoa-pefy;
tena tsapako mivoatra.

Sento tokana! d' ilay sentoko maditra,
efa mameno ireo minitra;
toa tsy hisy fiafaràny,
d' ilay iraky ny foko,
efa leon' ny mitoloko,
ka mila naman' iantefàny.

Nefa, mo mba iza no handray,
izato mpivahiny iray,
ka hitsetra sy hangoraka.
Eny, handray tsy hisalasala,
izato vetsom-poko adala,
efa dodona ny hiantoraka.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-po
2160 1
Mpakafy: Isiomanga
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Isiomanga
Nampiditra : Isiomanga
Daty : 25/02/2016 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148