Mijoro aho (Isiomanga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ra sendra olana mafonja,
be fiavy toy ny onja.
Ataoko ambony ny ahy ny saina;
faly aho fa mbola miaina.

Na alahelo ranomaso;
tafiotry ny ankaso,
toa misedra sy mitsara
tsy ataoko hahavery zara.

Ny tsy fisiana lavareny,
zary efa iainako ombieny,
tsy ataoko hampikoro
izay herintsaiko mba mijoro.

Ny rimorimom-pitadiavana,
zary efa mahalavitr' avana,
tsy maintsy lalana izorako,
saingy ny kiry no isalorako.

Ny fingampingan' ny tsy tia;
ireo esoeso etsy sy ery,
ireny no fototr' ananganako
ny ho avy hamiratr' ivantanako
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - fiainana
1305 1
Mpakafy: Isiomanga
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Isiomanga
Nampiditra : Isiomanga
Daty : 25/02/2016 17:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139