Antso (IVS Ilay voromailala Sariaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antso

Mety ho renao mivantana
Mety koa ho feo mamantana
Mety ho hery iray manosika
Mety hevitra misosoka

Mety ho loza mianjady
Mety olona tonga eo ambavahady
Mety ho bitsika mangina
Mety ho tositosin'olo-tiana

Mety ho feo tao ampiangonana
Mety teny ampilanonana
Mety ho vavaka mangina
Mety ho nofy tampandrina

Mety ho iraka natao
Mety ho fibebahana tsotra izao
Mety ho faharesen-dahatra
Mety ho vokatry vavaka

Izany rehetra izany re rahavako
Dia endriky ny antso miantefa
Aza mikaroka vaovao
Fa henoy izay miantefa aminao

Aza mba misalasala
Na variana ka mitady irika ialana
Fa ny ANTSO tsy mba azo ialana
Rahefa tonga dia tena ho tamana

Koa valio fa aza be marenina
Sao hahatonga anao hanenina
Rehefa ianao ilay nantsoina
Dia hiverim-berina eo foana

Ilay ANTSO ,izay Miantso Anao
Antson'i Jesosy ho Anao

IVS
02/08/07
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1086 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IVS Ilay voromailala Sariaka
Nampiditra : voromanoa
Daty : 02/08/2007 09:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134