Neny (IVS Ilay voromailala Sariaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny

Ilay nitondra sivy vola
Nanao ny ainy tsy ho zavatra
Ilay nibaby raha tomany
Dia mbola i Neny ihany

Ilay nigoka ny tsy tiana
Niaritra ny fahoriana
Ilay nitaiza nahabe
Dia mbola i Neny ihany re

Ilay nikapoka , nibedy
Tsy nitsitsy tsora-kazo
Ilay nanambitamby sy nitia
Dia mbola i Neny tia

Ilay somary manana hambo
Noho ny hery laniny aminao
Ilay mandefitra mazana
Ilay Neny fihantana

Ilay ory raha mahita anao marary
Noho ny aina mifamatotra izany
Ilay tsy mahafoy anao maditra
Dia i Neny tia , miaritra ny vita

Sarobidy ny fananana azy
Sarobidy tsy azo atao rainazy
Sarobidy tsy azo atakalo ny hafa
Dia i Neny tia hafa noho ny hafa

IVS
13/07/2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IVS Ilay voromailala Sariaka
Nampiditra : voromanoa
Daty : 13/07/2007 09:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176