sangim-pahasambarana (IVS Ilay voromailala Sariaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola kely ianao dia fantatra
Eny tan-kibo no efa nisantatra
Ilay kanto tena sambatra
Noventsoina fa ho sambatra

Tsy rediredy fa safidy
Hanohizana ny didy
Dia ny didim-pahasambarana
Hahatonga ventson'olon-tsambatra

Nolalovanao ny fahazazana
Nodiavinao ny hatanorana
Nankafizinao ny miaina
Hahasambatra ny aina

Toa misompatra ny tany
Manafosafo ny tomany
Eny miangatra ny fiainana
Ka manjary feno fitarainana

Tsy manadino na misangy
Fa efa nomeny fa tsy tamby
Ny fiainam-pahasambarana
Fanomezam-pahasambarana

IVS
(27/08/2008 )
--------
Rohy:
960 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IVS Ilay voromailala Sariaka
Nampiditra : voromanoa
Daty : 28/08/2008 11:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128