atolotro ho anao ity tono - Jayah Razafi
Azo vakiana?
atolotro ho anao ity tononkalo ity
ry ilay tokana finidiko
ataoko fanomezana ho an-dry
ry ilay harena sarobidiko,
atolotro ho anao ny fanahy raiketiny
ho diamondra hiravahanao
ka ny rima no manendrika ny tefiny
Hanaingo ny atifonao
antsaiko am-pitsikina,mora,soa filanto
hanako ao an-tsofinao ry malala
omeko aina,hiangaliako toa anao kanto
ny fitiavako na oviana tsy miala
ataoko ho solom-bonikazo tsara sady manitra
fa ity tsy mba halazo na oviana
ataoko solom-bavaka ho an' Ilay Andriamanitra
fa nanome ahy anao ho olotiana
koa ataovy tsara tandrina iky ry malala
tsy hisy izay hangalatra,
fa raha sendra ny tsy vanona hankahala
dia mba koloy fatratra
Jayah Razafi
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Jayah Razafi

Nampiditra : Jayahrazafi
Daty : 10/01/2017
Mpamangy : 1364
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
hihira ho anao ahoManiry manitra
io fitiavana io
Va tsy tsapanao ny lanjan
vazon'ny manina
hosodoko
Elakelany
ny tena fitia
Antsakabary
eo an-dohan-drainy,mator