delestazy - Jayah Razafi
Azo vakiana?
DELESTAZY
marina ve rafanja
ilay hoe izahay nandra?!
tsy ampahitana vaovao
rehefa lera ohatra an'izao?!
fa avela anaty haizina
ampahoriana sady faizina
fa mitady hanita-doha
raha vahoaka tafafoha?!
tsy atao mahita marina
afa-tsy izay namboarina?!
ny malaza-politika
dia afenina tsy ho hita?!
ka ny jiro no tapahana
amin'izay vahoaka pahana
tsy mahita izay aleha
fa hanaiky ny lehibe?!
izao izao tsy hitanay
ilay akama anankiray
notsaraina teny anosy
asa mety efa voahosy
izay ny anjara zony?!
fa tsy nanaiky ny lonjony
sy ny afera tsy milamina
nisy tao Soamahamanina?!
dia terena ny vahoaka
tsy hahalala izay mivoaka
tapao,tapao aloha ny jiro
fa ny antsika ampidiro
ny solitany mba handefa
ny ato amintsika rehetra
hoy nareo manan-katao
fa ny anay izany izao
miandry an'iza hanazava?!
................
mahay nareo rafanja ah!!!
jayah razafi
20/12/2016 21:22
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Jayah Razafi

Nampiditra : Jayahrazafi
Daty : 30/12/2016
Mpamangy : 643
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
hihira ho anao ahoManiry manitra
io fitiavana io
Va tsy tsapanao ny lanjan
vazon'ny manina
hosodoko
Elakelany
ny tena fitia
Antsakabary
atolotro ho anao ity tono