nahatsiaro (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidiny hono letsy ah
Ilay tiany tany aloha
Fa ialahy etsy
Avelany harary fo
Tsy rarainy akory


Tsaroany hono zandry
Ny fitiavany fahiny ah
F’ialahy ataony miandry
F’ialahy tsy manan-tsiny
No ampitahainy amin’iny


Natsoiny letsy zoky ah
Nantsoiny teo imaso
Ary izy nanome toky
Niantso ny andraso
Fa manina ny lasany


Mangina letsy sisa a
Mangina sy mamisa
Ny ho avy izay hatrehina
Ny nahandro izay ketrehina
Fa hanokona vaovao
Ndrao hofatin'ny harerahana

Jayah razafi
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
852 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143