nilefitra (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
dia....
nikitika .... nikitika,
niantso .... niantso
maika izy litika
naheno ny andraso
ka saika voarora
no sady voakora,

mbola....
nisisika... nisisika
nanaraka ...nanaraka
na dia efa voahifika
sy voatifitifitry ny
ompa variraraka

ka...
nangina....nangina
nalahelo....nalahelo
toa ny olona vangina
miandry ny andro fahatelo
hitsanganana ho velona

ary....
miandry ... sasa-miandry
fa ilay fitia nodimandry
antenainy mbola ho velona
ho velona ....ho velona
fa tsy ho lavenona

Jayah Razafi 03/08/2016 09:25 ambohibao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
693 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144