RAFAHAFAHANA (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola hatramin’izao
Miandry foana hono rafahafahana
Miandry izay hamahana
Hampody indray ny ainy
Rehefa avy novetain’
Ireo tsy valahara tetsy tsimbazaza
Rafahafahan-gasy.
Fa andro misasak’alina
No nandaniana ihany ilay fanamelohana
Tsy azo nibabohana
Ka Rafahafahana dia …,niaran-kerisetra
Tsy nisy izay nitsetra
Ka hatramin’izao,tsy mahatsiaro tena
Ka mila famonjena
Fa tonga ny mpandromba
Dia ireo lehibe sy ny tompom-pahefana
Nandany ny lalàna,
Fa Rafahafana,dia notapenam-bava
Fa ndrao ka hitabataba
Nofatora-tongotra aman-tanana
No sady nobahanana
Ritra izao ny Ràny
Ka hovoageja indray ity tany
Raha tsy misy izay vonona
Hiady sy hitolona
Ho amin’ny fahavelomany
Ka mitsangana ry namana ah
Hiady ho an’ny fahafahana
Koa miandry anao rafahafahana
Miandry anao hanolo-tanana
Miandry anao,mba hiady ho azy
Mantsy izy efa amoro-kady
Efa misokatra ny varavara-pasany
Ka io ianao io no sisa andrasany
Mba hamerina ny ainy
MIJOROA SAHIA TOKOA HO LEHILAHY


Jayah Razafi
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144