You are here: home > Vetso

Safidi-ko nanenina - Jean Baptiste Tarzan

Azo vakiana?

Ilay safidiko voafitaka
dia safidi-ko nanenina
nankahalainy ny fitiavako
nosoloiny fandrafesana.

Raha ny vitany tsy vitako
dia izaho no tokony hiala
fa notiaviny ny tenany
dia izaho no nankahalainy.

Raha hijanona aho tsy lasa
raha hisitaka tsy hahafoy
tsisy intsony zato hamboko
ataoko ahoana zato ho aviko.

Raha ny hevitro irery
dia tsy sahiko ny hiteny
fa ianao no sisa handrasako
mba hanohy ny tantarako.

Ilay safidi-ko voafitaka
dia safidi-ko nanenina.

Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan

Nampiditra : Jokera
Daty : 11/02/2006
Mpamangy : 1451
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Handefera-ko ilay teny
Le péché
Mpanendrikendrika
Ma fleur
Ny vola
Hery hafa no mamely