AVELO (Jinah MAHAZINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasalasa ny fanahy;
Mamelovelo fahantsiarovana;
Mamerimberina tsiahy,
Ka zary tena mahatorovana !
...
Fa andro inona ary zao,
No reko toa manelohelo;
Antsain-ko ao ny antsainao:
mamohafoha ny halahelo...
...
Dia nitodika aho nijery,
“Hoe eo an’ilako eo ianao”
Hay ty saiko manirery:
No te hanefitefy izao!
...
Saingy lasan'iny fa tsy tana,
nandalo dia nisoka mora,
nandritsodritsoka fanala!
narahim-peo toa goragora:
...
Dia nakipiko ny masoko
Nobaikoko tsy hijery:
Toa maika koa nanasohaso
"Ny endrikao tsy mety miery"!
....
Fa... andro inona ary izao?
...

(Liège Octobre 2012)
Jinah MAHAZINA
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jinah MAHAZINA
Nampiditra : zkzandrykely
Daty : 13/01/2013 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137