TARI-BATO VILAMBAVA (Jinah MAHAZINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nianiana aho ny hanompo tanindrazana, hanaja ny lalàna;
Ka ho raisiko adidy ny hiaro ny vahoaka, mbamin’ny fananany!
...
Saingy ankehitriny, ny tena iadidiako dia ny miaro fahefana;
Manenjika izay resiko, manambana azy basy hangalana izay hananany!

Nianiana aho ny hanaja zo fototra: aina, tany, firenena;
Na ny aiko aza no ilaina hatao sorona, homeko tsy terena!
...
Saingy ankehitrio, ny ahy aloha no maika sy ny an’ireo akama,
Aleo ho rava zay ho rava, zay maty aleo ho any fa izahay tsy te hahalala!

Nianiana aho ny hitsara ara-drariny, hitandrovana ny marina;
Ka zay meloka rehetra, na iza io na iza, ny didy no ampiharina!
...
Saingy hatramin’zao, izay kely no lokoiko, hidoboka any amponja,
Zay mafimafy loha, manohitohitra ahy, hovesarako mafonja!

Jinah MAHAZINA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1272 0
Hevitra mandeha
zkzandrykely ( 06/02/2013 20:39)
Rehefa ireo fototra lehibe telo hiorenan'ny fanjakana etim-bahoaka no lo tanteraka, dia azo ambara fa tsy lavitra ilay firenena intsony ny faharavana! Saingy ny mampalahelo dia ny valala tsy mandady harona no hizaka tsy maintsy higoka ny ngidiny!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jinah MAHAZINA
Nampiditra : zkzandrykely
Daty : 06/02/2013 20:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143