GADRA-PAHAFAHANA (Jinah MAHAZINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Helokao va re , sa heloky ny hafa no miaina lavan’andro anaty fahantrana ?
Sa ianao mihintsy, ilay tsy laitram-pananarana, voahozona higadra, sakaizan’adalana?!
No dia tànana ao am-ponja, anaty aizim-pito, angamba mandra-maty:
Tsy handalo fitsarana, tsy hahita izay mpitsetra, tsy hisy izay mpamatsy!

Dia mangina moa ianao, fa toa laingako any izany, tsy misy zay mandrindrina;
Rediredy ny ahy! hay ty fonjanao, fonja hafa kely fa tsy mba misy rindrina!
Tinafinao an-koditra, firakotrao matory, babena isan’ora, an-tsorok(a)’isan’andro!
Dia mihonona ny fo fa lahatra hono izao, anjara hozakaina ambanin'ny masoandro.

Etsy am-pita anefa, ireroa midradradradra…

Mirehareha ery: hoe afaka hono ianao, efa elaela ihany: tamin’ny taona enimpolo!
Dimampolo taona izay!….ty tongotra ama-tànana: mifatopatotra daholo?!
Tsy afaka miteny, tsy afaka mamindra, tsy afaka mitsabo, tsy afaka mihary, …!
Mikombona ny vava, akipy koa ny maso, ny saina sy fanahy raha vao mahita vary!

Ifonako raha diso, “tena jamba ianao, andevom-pahafahana, gadrain’ny fahantrana!”
Mitanatana vava ny hodinihina io, laharam-pahamehena, …anganom-panjakana!
Ry zareo anie, … izy mianakavy, migalabona amam-bola, mifamaly fanasana!
Ry olom-pirenena, ry Gasy mifohaza, aoka izay ny zara-vilana fa “Gadram-pahafahana”!


Jinah Mahazina (26/01/13)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1421 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 27/01/2013 17:32)
Tiako tsotr' izao!
zkzandrykely ( 27/01/2013 18:08)
Misaotra ry Kiriah ah! Tena mampahery zany!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jinah MAHAZINA
Nampiditra : Zkzandrykely
Daty : 26/01/2013 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142