Ny antsika! (JNB)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny antsika sakaiza no resahina
Betsaka no afaka tanisaina,
ankehitriny niova ny fo dia niova koa ny fiaina
Betsaka ny mampitomany,maro ny mampitaraina,
Nanjary be ny fahoriana
Nanjaka ny tsy fisiana
Mikorontana ny firenena
Ny vahoaka nanjary tsy nanankatenaina
Ny fiarahamonina nizarazara
Tsy hita intsony fa be loatra raha ho hambara
Dia hizotra ho aiza isika?
Hanao ahoana ny hoavin'ny taranantsika?
Ny hoavy ry sakaiza
Ny hoavy no hanambara,mbola hikolo sy hitaiza
Ataontsika betsaka ny fanantenana
Satria mbola hitohy ary hitohy ny tantara!
--------
Rohy:
1055 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : james01
Daty : 26/10/2017 13:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145